Sitrano ny tenanao

Natao ho an’ireo olona tsy manam-potoana be loatra ity fiofanana ity. Taorian’ny niantombohan’ny valan’aretina COVID-19 dia nanapa-kevitra nanangana ity fampiofanana ity ireo mpampianatra tao amin’ny Usui Dentō Ryū School, izay toeram-pampiofanana mpitsabo matihanina. Ny Usui Spiritual Lernejo Foundation no mitantana izany sekoly izany. Fomba fanao vitsivitsy avy tao amin’ny rafitra fototry ny Usui Reiki Ryoho no nosafidin’izy ireo hatao ao anatiny.

Anatin’izany fiofanana izany dia fomba fanao enina no hianaranao ao anatin’ny ora vitsy:

  • Ny iray dia ilaina amin’ny fitsaboana aretina mahery vaika
  • Ny iray dia manampy amin’ny karazana aretina rehetra avy amin’ny virosy sy ny bakteria
  • Ny telo dia manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalamana sy mampitombo ny hery fiarovan’ny vatana
  • Ny farany kosa dia tsy ambara izao fa ho fantatrao eo ihany!

Mpitsabo matihanina sy manana traikefa lalina amin’ny resaka fitsaboana sy fitsaboan-tena avy ao amin’ny Usui Dentō Ryū School no manome ny fiofanana.

Mahaliana anao ve ny mombamomba anay? Azonao atao ny mitsidika ny

https://jinjutsu.org

raha te hahafantatra bebe kokoa mikasika anay ianao.

Efa misy amin’ny teny espaniola, anglisy, alemana, esperanto ny fiofanana fitsaboana vonjimaika araky ny Reiki amin’izao.

Azo sokafana amin’ireo fiteny ireo koa ny tranokalanay ankehitriny.

Hatao in-dray mandeha isam-bolana any amina firenena maro samihafa ny fiofanana. Ary voafetra mandrakariva ny toerana.

Fanazavana fanampiny: Misokatra ny fisoratana anarana isaky ny asabotsy voalohan’ny volana. Hita ao amin’ny tranokala, ao amin’ny bokotra Fisoratana Anarana, ny taratasy mombamomba ilaina amin’io andro io. Rehefa feno izany taratasy izany dia afaka mitsidika ny rafitra anatin’ny sekoly ianao. Ao no ahitanao ireo valim-panontaniana mety manitikitika anao izay atolotry ny mpampiofana sy ny mpandray anjara hafa amin’ny fiofanana. Mazava ho azy fa afaka misoratra anarana amin’ny fiofanana koa ianao raha te handray anjara.

Tsy handrinay ny handray anao sy hizara aminao ity fomba fitsaboana mahagaga ity!

Ireo mpitsabo ao amin’ny Usui Spiritual Lernejo Foundation